FANENDRENA PDS AO AMIN'NY CUA

Aoka mba hanaraka ny lalana, hoy ny sendika


  • Alarobia 11 Martsa 2026

Nivoaka tamin'ny fahanginana

omaly Talata 10 Martsa ny Filohan'ny sendika mahaleo tena eo anivon'ny kaominîna Antananarivo renivohitra Atoa Niriantsoa John Clement manoloana ny zava-misy eo anivon'ny kaominîna ankehitriny izay tsy misy Ben'ny tanana mpitantana intsony mandrapisian'ny fifidianana nandraisan'ny vahoaka anjara. Nambarany noho izany fa tokony hanaraka ny lalana ny fanendrena izay ho Prezidan'ny delegasiona manokana eo na ny PDS araka ny lalana 2014-020. Tokony hisy hoy izy ny lefitry ny Prezida miisa 2 sy mpikambana vitsivitsy izay tsy mihoatra ny 7 isa nefa tsy latsaky ny 3 isa ihany koa. Tokony hohenoina ihany koa ny hetahetan'ireo mpiasa miisa 4.000 eo anivon'ny kaominîna. Fanirian'izy ireo ohatra ny tokony hanaovana ireo Filoha lefitra 2 ireo ho mpiasan'ny kaominîna ihany fa tsy olon-kafa. Toraka izany koa ny hanendrena PDS mety amin'ny mpitory sy ny notoriana izany hoe : ireo ekipa roa nifanandrina mba tsy hananan'ny sasany ahiahy ny amin'ny fikarakarana ny fifidianana Ben'ny tanana manaraka eo. Farany izay tsy kely akory dia miantso vahaolana mahomby avy amin'ny mpitondra fanjakana ity Filohan'ny sendika manokana eo anivon'ny kaominîna Antananarivo renivohitra ity. Tsy afaka ny hanao sonia ny famoahana ny karaman'izy ireo amin'ity volana Martsa ity intsony mantsy ny Ben'ny tanana teo aloha Harilala Ramanantsoa. Manam-bady aman-janaka avokoa anefa izy ireo, mandoa jiro, mandoa hofantrano...Hangatahin'ireo mpiasa miisa 4000 ireo araka izany ny hanendrena ny PDS faran'izay haingana ho fitsinjovana azy ireo.
Pati
Légende : Niriantsoa John Clement, Filohan'ny sendika mahaleo tena eo anivon'ny kaominîna Antananarivo renivohitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT