Actualités

Fanendrena ny VPM Hyppolite Tsy namparisika ny PM Vital ?


  • Alatsinainy 01 Martsa 2010

Mandeha be ny feo ny faramparanny herinandro iny fa toa semban-drahona sahady ny fifandraisani Andry Rajoelina sy ny praiminisitra Camille Vital.

 

Mbola resaka mandeha ihany no andrenesana fa ny fanendrena ny vice-amiral Hyppolite Ramaroson ho Praiminisitra lefitra misahana ny raharahambahiny ny herinandro lasa teo no tsy dia nampitovy ny tadin-dokangan’izy mirahalahy ireto. Efa hatry ny ela i Camille Vital sy Hyppolite Ramaroson no tsy dia nifankahazo, araka ny re, ka noho izany antony izany indrindra no tsy dia nankasitrahan’ny Praiminisitra ny fanendrena ity manamboninahitra ity. I Maxime Zafera, mpanolontsaina diplaomatikan’i Camille Vital no neritreretiny hasolo an’i Ny Hasina Andriamanjato, araka ny feo mandeha ihany, saingy tsy naharesy lahatra ny filohan’ny HAT sy ireo mpanolotsaina akaiky azy izany. Mbola any anatin’ny resaka mandeha ihany koa no andrenesana fa maromaro amin’ireo manampahefana eo anivon’izao fitondrana tetezamita izao no tsy mahazohazo loatra ny fanendrena ny vice-amiral Hyppolite ho praiminisitra lefitra misahana ny raharahambahiny, satria, hono, efa niara-niasa akaiky tamin-dRavalomanana izy ka tsy dia azo itokisana be loatra. Ho sarotsarotra ihany, araka izany, ny miandry an’i Hyppolite Ramaroson, satria sady handresy lahatra an’izao tontolo izao amin’ny fanekena ny fitondrana mpanongam-panjakana tarihan’i Andry Rajoelina no mbola hiezaka ny tsy hampitombo ny fankahalan’ireo mpiara-miasa akaiky aminy, sy ny lehibeny mivantana (Camille Vital). Noho izay rehetra izay indrindra no ahasahian’ny mpanara-baovao politika milaza fa tsy haharitra ela amin’ny toerany ity Praiminisitra lefitra ity, ary vao mainka aza handiso fanantenana noho ny nataon’i Ny Hasina Andriamanjato ny asany.
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT