Mirongatra ny asa fanendahana sy fangalaran-javatra anaty fiara eny Isotry sy 67 ha eny.
Olona marobe no efa lasibatra na andro na alina. Lehilahy roa 20 sy 24 taona no voasambotry ny polisy ao amin’ny Boriborintany fahefatra ny alahady teo. Anisan’ireny i Ngoro izay voasambotra teny amin’ny Aigle Noir 67 ha vokatry ny fampandrenesana nataon’olon-tsotra tamin’ny mpitandro ny filaminana. Teny amin’ny tetezan-dRamala kosa no tratra ny mpanendaka iray tokony ho tamin'ny 7 ora hariva, mbola vokatry ny fampitam-baovao avy tamin’olon-tsotra ihany. Mbola nahatrarana finday iray avy nangalariny moa teny amin’ity farany. Omaly izy ireo no natolotra ny fampanoavana ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.