Fandrodanana Moské tao Toamasina

Nanome 72 ora hamerenana


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2025

amin’ny laoniny ny toe-draharaha ny Silamo

Nanao fanambaràna tetsy amin’ny foiben’ny Fikambanana Silamo malagasy na FSM etsy 67ha omaly ireo raiamandreny loholona anaty komitin’ny olon-kendry Silamo malagasy fa melohin’ny birao nasionalin’ny FSM tanteraka ny fandrodanana tsy ara-dalàna ny Moské na toeram-pivavahan’izy ireo ao Toamasina sy ao amin’ny fokontanin’Ambalanomby, Toamasina II. Izao fanambarana izao, hoy izy ireo, dia ampitaina amin’ny filohan’ny repoblika, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny minisitry ny atitany, ny minisitry ny kolontsaina, ny sekreteram-panjakàna misahana ny zandarimaria, ny minisitry ny polisim-pirenena, ny filohan’ny antenimieram-pirenena, ny minisitry ny fitsaràna. Manana tany ny Silamo malagasy ary manaraka ny dingana ara-dalàna momba ny fananan-tany eto Madagasikara. Nangataka alalana hanorina tamin’ny kaominin’i Toamasina renivohitra izahay tamin’ny nanangana Moské. Azo tamin’izany ny fahazoan-dalana hanorina. Mbola nanatona ny lehiben’ny fitsaràna ao Toamasina koa ny Silamo malagasy. Azo koa ny hitsivolana nahafahana nanorina. Nitaona ireo finoana rahavavy koa hampanara-dalàna ny resaka fananan-tany tany amin’ny sampan-draharaha misahana an’izany. Tany misy tompony ara-dalàna no nanorenana ny Moské. Mbola nampahafantarina izany koa ireo mpino rahavavy any Egipta ary nanome 650 tapitrisa Iraimbilanja na 130 tapitrisa Ariary nananganana ilay fotodrafitrasa. Efa nohadihadianay lalina fa tsy nisy ny alalana avy amin’ny filohan’ny repoblika nahafahan’ireo olona ireo nandrodana izao Moské izao. Manaitra ny fitondràm-panjakàna izahay handray fepetra haingana ao anatin’ny 72 ora. Tsy io vazaha tokana io, izay hitady velon-tena aty Madagasikara, no afaka handrodana ny fahefam-panjakàna eo anatrehanareo andriamatoa filohan’ny repoblika. Maha menatra izao. Manaitra ny filoham-pirenena izahay handray fepetra haingana hamerina izao tokontany izao ho an’ny mpino Silamo ao anatin’ny 72 ora. Ireo nandrodana koa takiana hanangana sy hamerina amin’ny laoniny izany Moské izany! Raha tsy miverina amin’ny laoniny ny Moské dia hifampiantso ny mpino Silamo rehetra eto Madagasikara izay miisa 6.775.000. Tsy fandrahonana izany andriamatoa filoha fa fampisehoana fa miroborobo eto ny finoana Silamo. Lasa tsy manan-kialofana koa ireo mponina manodidina ka takiana ny hamerenana ny zon’ny mpino sy ireo lasibatr’izao fandrodanana tsy ara-dalàna izao rehetra, hoy hatrany ny fanambaràn’izy ireo omaly.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT