Actualités

Fandrobana ny magazay “King’s” Ambolomadinika Nitsikombakomba ny mpiambina sy ny jiolahy


  • Alatsinainy 08 Septambra 2014

Raha nihevitra ity tranombarotra mpivarotra moto scooter sy karazana kidoro ary kojakojan-tokantrano sy ara-moto antsoina hoe “king’s” Ambolomadinika ity

fa ny fakana mpiambina sivily manokana hiambina ny tranombarotra no fiarovana amin’izao firongatry ny jiolahy ao Toamasina izao dia tsy izay no nitranga fa ireo mpiambina mihitsy indray no miray tsikombakomba amin’ireo jiolahy mangalatra miditra anaty magazay amin’ny alina. Raha ny fanazavana azo tamin’ny polisy misahana ny tampon-tanànan’i Toamasina, dia ny fanalahidin'ny magazay no nataon’ireto mpiambina dika mitovy ka izy ireo no manokatra ny magazay amin’ny fotoana hahatongavan’ireo jiolahy ary manidy izany koa dia toy ireny hoe tsy misy na inona na inona ireny. Ny alakamisy teo anefa dia naharay antso ny polisy tokony ho tamin’ny 9ora alina. Avy hatrany dia ny kaomisera mihitsy no nitarika ny ekipany nijery ny raharaha. Tratra ambodiomby tao anaty magazay ireo jiolahy roa lahy, ireo mpiambina kosa mody miandry ety ivelany manao mody tsy mahalala. Raha natao ny fanadihadiana dia niaiky ny zavatra nataony ireto mpiambina roalahy sy ireto jiolahy mpiray tsikombakomba roalahy tamin’izy ireo. Miandry fitsarana any am-ponja izy efa-dahy taorian’ny fiakaran’izy ireo fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny sabotsy teo ihany. Tratra tao amin’ireto mpiray tendro ireto koa ny kidoro 4 sy moto scooter 2 ary kojakoja samy hafa maro be nangalarin’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT