Nahazo rariny teny anivon’ny tribonaly miady amin’ny fanjakana any Toamasina ireo mpiasa valo mianadahy noroahin’ny fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro noho ny antony tsy fantatra.
Voasazy handoa onitra mitentina 14.000.000 Ariary ny fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro manoloana izany. Nisolotena ny faritra tany Toamasina ny sekretera jeneraliny. Nanambara itsy farany fa tsy manana io vola io ny faritra. Nanamafy ny fitsarana fa raha tena tan-dalàna marina ny fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro dia tokony handoa io onitra takian’ny mpiasa io. Fantatra fa misy tamin’ireo mpiasa ireo no efa an-taonany maro no nampandeha ny asa teo anivon’ny faritra kanefa dia nosoloin’ny lehiben’ny faritra amin’izao fotoana olon-kafa tsotra izao.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.