Fandripahana ala

Mitohy ny afera maloto Vokatry ny fitsirihana nataon'ny Sampan-draharahan'ny


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy CIREF/CEF Moramanga, tra-tehaka tao Ampitambe Kaominina

Ambohibary Moramanga ny fiara kamiao lehibe iray manangona sy mitatitra hazo alà tasy ara-dalana miisa 421, araka ny seraseran’ny Minisiteran’ny tontolo iainana. Olona miisa 2 no voasambotra niaraka tamin'ireto hazo ireto, ny tompon'ny hazo sy ny mpamily ilay fiara. Natolotra ny fitsarana izy ireo taorian'ny fanadihadiana ary naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana azy. Nogiazana kosa ny hazo sy ny fiara. « Ampatsiahivina hatrany isika fa ilana fahazoan-dalana avy amin'ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny fitrandrahana ny vokatra avy alà. Asaina arak'izany ny tsirairay hanaraka ny lalàna sy ny fepetra mifanaraka amin'izany, ary tsy hisalasala hanatona ny Fitaaleavam-paritrty ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD/DIRED). », hoy ny fanentanana. Midika izao fa mitohy ny fandripahana ala, izay inoana fa tena tambajotra goavana sy manan-katao no ao ambadika. Matoa misy ny fahasahiana goavana tahaka izao dia mahatoky fa manana mpiaro sy mpanavotra, ary ahiana hatrany ny hoe : tsy ny tena atidoha fa ireo irakiraka itony sarona itony na ekena aza ny filazana fa tompony ny iray tamin’ireto roa tratra farany ireto. Mby aiza izao ny tohin’ilay depiote nampiasa anarana andrim-panjakana mihitsy tamin’ny afera fandripahana ala sy fitaomana hazo sarobisy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT