“Ny olona sa ny fiarovana ny biby ?...” Anisan’ny tenin’ny lehiben’ny faritra Alaotra-Mangoro io mikasika ny fiarovana ny zetra sy ny bandro, izay harem-pirenena amin’ny maha-faritra voaaro ny “Lac Alaotra”, tafiditra amin’ny “site Ramsar”.
Ny zetra dia karazana zava-maniry maniry ao anatina honahona ao Alaotra. Ny bandro kosa dia karazana gidro kely tsy fahita raha tsy eto Madagasikara mivelona ao anatiny. Noho io tenin’ny lehiben’ny faritra io, dia misy ny mihevitra avy hatrany fa ny olom-panjakana no mpampirisika amin’ny doro zetra. Manamarina izany ny fisiana peta-drindrina nataon’Atoa Rajaofera filoham-pikambanana (?) ao Vohitraivo Tanambe, nitaona ny olona handoro ny zetra nahafahana namboly “vary jebo” tsy nisy mpanenjika. Nanararaotra ity “fahazoan-dalana” ity Atoa Robert mpamboly avy any Belo Tsiribihina tonga ao Ambatosoratra Andreba Gara, ka nandoro ireo zetra namboleny vary jebo izay tsy maintsy nataony noho ny tsy fananany tanimbary. Ny mponina ao Anororo kosa raha mbola tena sarotiny tamin’ny fiarovana ny zetra, dia roboka koa ankehitriny amin’ny fandoroana izany. Vokany, ny taona 2013 araka ny tarehimarika nomen’ny ben’ny tanàna Atoa Mosalahy Simon, dia manodidina ny 3.000 sisa ny bandro voaisa ary efa hatahorana tsy hisy afa-tsy ny 3/4 sisa izany ankehitriny. Ho an’ny filohan’ny federasionina mpiaro ny zetra, Atoa Rakotonandriana Jean, dia “ny tsikombakomban’ny olom-panjakana aty aminay no olana. Tsy gaga isika raha ho ringana ny bandro sy ho ritra ny ranon’Alaotra tsy ho ela”. Ny fikambanana ara-tontolo iainana Durell ao anatin’izay dia milaza fa tsy afa-mihetsika noho ny olana ara-tetibola noho ny fahatapahan’izany vokatry ny krizy teo. Raha 23.000ha ny velaran’ny zetra tany am-boalohany, dia tombanana ny 50% no efa simba noho ny firongatr’io doro zetra io. Ny fitsarana ao Ambatondrazaka kosa dia tsy afa-manao na inona na inona noho ny fahatsapany fa tsy olona am-polony no mpanimba ny zetra, fa tena fokontany iray mihitsy. Na heloka bevava araka ny lalana aza ny fanimbana ny harem-pirenena arovana, dia voatery novotsorana ireo olona 25 efa voasambotra. Tsy afa-mihetsika ny fitsarana ary ninia nangina tsy nilaza anarana, satria olom-panjakana ambony no voakitika. Ankoatra izay, dia tafiditra amin’ny hetsiky ny USAID miara-miasa amin’ny “conservation international” sy ny “WCS” ary ny mpanao gazety ho fiarovana ny tontolo iainana sy ny harem-pirenena voajanahary, no nahafahana nanao ny fanadihadiana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.