Tontosa omaly tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo ny lanonana fisaorana an’ireo vahoaka amerikanina nosoloin’ny USAID tena izay namatsy vola ny Marie stopes Madagascar hahatomombana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny fandrindrana ny fiterahana eto amintsika nandritry ny 7 taona.
Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia hitan’ireo vahiny ho nisy fivoarana hatrany ny fahazotoan’ny Malagasy tamin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana amin’ny alalan’ny fampiasana ny toromarika mifanandrify amin’izany, toy ny fanabeazana aizana. Ny taona 2010 dia namatsy vola 800.000 dolara ny amerikanina ary niha niakatra hatrany izany hatraty amin’ny taona 2017 satria dia tonga 3.500.000 dolara. Saika voatety nanaovana fanentanana avokoa ny faritra 22 miampy distrika 109 ary fokontany 2.000 ka asa miisa 645 no tontosa. Na dia teo aza ny tsaho niely nanaratsiana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana dia nitombo hatrany ireo nisafidy hanao izany. Ny taona 2010-2011 dia niampy 16% ny taha. Isan-taona kosa dia ahitana fianakaviana miisa 300 vaovao eo hatrany miditra amin’ity lalana ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.