Nidina ifotony tany Toamasina ny
delegasiaona avy amin’ny Fanjakana foibe notarihin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo ny faran’ny herinandro teo nanampy tamin'ny fandaminana sy fandrindrana rehetra, indrindra mikasika ny fanaraha-maso ny vidin'entana, ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ary ny fahatongavan'ireo fitaovana sy famatsiana samihafa ho an'ireo traboina. Hentitra ny tanjona napetraky ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, Kôlônely Randrianirina Michael, dia ny hanarenana haingana ireo Faritra traboina sy ny hamerenana amin'ny laoniny ny fiainan'ny mponina ao aminy. Mazava koa ny toromariky ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama fa tsy maintsy mipàka mivantana tsy misy hanombinana any amin'ireo traboina ny fanampiana rehetra, ary tsy misy fandeferana amin'ny fanararaotana sy ny kolikoly. Nankinina tanteraka amin’ny « Cellule opérationnelle », ny Préfet sy ny BNGRC any an-toerana ny fahefana sy ny fandrindrana ary ny fitsinjarana ho mariky ny fitsinjaram-pahefana, fa manampy fotsiny ny Fanjakana foibe dia manaraka ny mangarahara. Ny tatitra ny tapaky ny herinandro lasa teo, dia tokantrano miisa 40.739 ao Toamasina I sy Toamasina II no efa nisitraka mivantana ny fanampiana ara-tsosialy, ary mbola mitohy tsy an-kiato hatramin’izao ny fizarana izany ho an’ireo traboina. Ankoatra ny hôpitaly sy sekoly, dia isan’ireo fotodrafitrasa notsidihan’ny Praiminisitra ihany koa ny Seranan-tsambon’i Toamasina sy ny fadintseranana izay niharan'ny fahasimbana vokatry ny rivodoza. Notsirihiny tamin’izany ny trano lehibe fitobian’ireo entana ao amin’ny SPAT, izay itehirizana ireo fitaovana natokana handraisana andraikitra amin’ny loza ateraky ny akoranafo, ny toerana fikojakojana ireo sambo mpanao fisafoana, ireo toby fitehirizana varimbazaha, ary ny fefy manodidina ny seranana izay nahitana faharavana manodidina ny 700 metatra. Nijery ny tetikasa fanitarana ity seranana ity ihany koa ny Praiminisitra. Voamarina fa tsy nisy fahasimbana ireo asa ao anatin’izany, ary hotanterahina araka ny fandaharam-potoana efa nofaritana ny fanolorana ny 333 metatra amin’ny lakandrano C4 amin’ny faran’ny volana marsa 2026,… hoy ny tatitra ofisialy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.