Rava niongotra hatramin'ny fotony noho ny fijojon'ny orana nandritra ny herinandro izay ny barazy ao Ambatomirojorojo, Fokontanin'Ambohijato Kaomina ambonivohitr'i Fandriana, mpanondraka velaran-tany 450 ha.
Manao antso avo amin'ny fitondrana mahefa hijery malaky an'ity trangan-javatra ity ny ben'ny tananan'i Fandriana, Rajaonarisina Georges, fa ho mosarena ity faritra ity raha tsy vita mialohan'ny taom-pambolena manaraka izay hanomboka amin'ny volana septambra ho avy izao io barazy io. Hanaovany antso avo ihany koa ry zareo ao amin'ny "Petit périmètre irrigué" ao Nanisana amin'ny famatsiana an'io taom-pambolena hanoboka amin'ny septambra io indrindra eo amin'ny sehatry ny masomboly.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.