Actualités

Fandravana tsena eny Analakely sy Soarano Tsy te hahalala izay didim-pitsarana any ny CUA…


  • Zoma 12 Jona 2020

Nitohy hatrany ny fandravana tsena ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na ny CUA teny Soarano sy Analakely omaly.

 

 

 Voalaza anefa fa efa nisy ny didim-pitsarana mampiato ny fandravana ao anatin’ny 48 ora. “Ny fanapahan-kevitry ny fitsarana aza hodian’ny mpitantana ny kaominina tsy hita. Raha misy ny finiavana maninona raha nampanantsoina sy nomena fe-potoana, ary maninona raha haverina ny volan’ireo mpivarotra”, hoy Rtoa Clémence Raharinirina, Mpanolontsaina Kaominaly. Ny fanapahan-kevitra handrava tsena eto Antananarivo sy manerana an’Antananarivo dia efa notsipahinay, hoy izy. Tokony haverina amin’ny mpivarotra ny hofan-tsena sy ny vola lany tamin’ny fananganana ny tsena, rehefa tsy hanaiky fifandaminana ihany CUA, hoy ireo mpivarotra. Manana taratasy ara-dalàna, mandoa vola ara-dalàna amin’ny kaominina, nanana fahazoan-dàlana tamin’ny fanorenana, ary niaraka tamina teknisianina tamin’ny fananganana, hoy izy ireo. Mangataka ny filoham-pirenena hijery ny madinika ireo mpivarotra. Mitaraina ho mijaly satria vola an-tapitrisany maro no lany. Milaza ny hampiakatra ambonimbony kokoa ny raharaha eny amin’ny fitsarana izy ireo mpivarotra, ary hanao hetsika mafy eo anatrehan’izao toe-javatra mahazo azy ireo izao. Tsy te hahalala izay didim-pitsarana any CUA, fa miroso hatrany amin’ny heveriny fa fampanarahan-dalàna, ka tsy misy resaka zo mahaolona izany, raha dinihina ny zava-misy fa efa tongotra mby an-dàkana ny fandrodanana na iza ho faly na iza ho tezitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT