Manoloana ny vaovao navoaka tamin’ny haino aman-jery iray teto Antananarivo, momba ny fandravana trano teny Ambatobevanja,
ao amin’ny Boriborintany faharoa, dia nanazava ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) fa an’ny kaominina ny tany. Trano hazo no naorin’ny olona teo ary ankehitriny dia ilain’ny kaominina ny tany. Efa resy tany amin’ny fitsarana ilay olona nanorina ny trano hazo. Taorian’izay, efa nanao ny dingana rehetra sy fombafomba momba ny fandravana trano ny kaominina. Nohamarinin’ny Vadintany rahateo fa tsy misy mipetraka intsony io trano hazo io, koa natao ny fandravana. Tsy nisy ny fandikan-dalàna. Ny 2 aogositra 2010 dia nisy nangataka ny tany amin’ny alalan’ny “bail”, saingy tsy nanao sonia nanome alalana mihitsy ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanàna tamin’izany. Nisy fidinana ifotony nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra taorian’izay ka hita fa nisy fanorenana tsy ara-dalàna tao. Ny trano hazo naorina lasa trano biriky. Nomena fampitandremana in-droa miantaona izy saingy tsy nohenoiny. Ny voalohan’ny volana febroary 2016 dia namoaka fanapahana ny CUA fa horavana ny fanorenana teo amin’ny tany. Nitory tany amin’ny fitsarana ilay nanana ady tamin’ny kaominina saingy resy teo amin’ny fitsarana, araka ny didim-pitsarana IF 18 ny 11 novambra 2016, hoy hatrany ny fanazavana. Samy nomena dika mitovy amin’ny didim-pitsarana izy mpitory sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Manoloana izany, nanambara ny avy eo anivon’ny kaominina fa tsy hitan’izy ireo izay mahadiso na tsy maha ara-dalàna ny fandravana nataony. Averina ho zaridainan’ny kaominina io tany io manomboka izao, hoy hatrany ny fanambarana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.