Actualités

Fandrarana ny “8 martsa” dila fotoana Tsy nanan-kery tamin’ny olon’ny IRD…


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Na efa nisy aza ny tenimita nataon’ny Minisiteran’ny atitany nandrara ny hetsika 8 martsa ho an’ny fotoana efa dila, dia tsy nihatra tamin’ny rehetra io.

Norarana tsy afaka hanao fanamarihana ny 8 martsa ny tany Fenoarivo Atsinanana ny sabotsy 11 martsa teo, ary nisy mihitsy ny naoty navoakan’ny Prefet tany an-toerana. Tsy mba tahaka izany ny tany Antsiranana ny sabotsy teo ihany. Raikitra ny hetsiky ny fikambanam-behivavy maro an'isa "Fianakaviamben'i Andry Rajoelina" tao Antsiranana nankalaza ny 8 martsa, izay notarihan'ny VPAN Jocelyne Maxime. Efa nofoanan'ny Ben'ny Tanàna tany an-toerana ny fahazoan-dàlana na “autorisation” an'io hetsika io, fa tsy nahasakana azy ireo izany. Raha mampahatsiahy anefa, niaraha-nahita ny famoretana natao tamin’ny vehivavy TIM ny andron’ny alarobia 8 martsa, izay faritra mihidy azo nofehezina tsara no nifanaovan’izy ireo fotoana. Ny tany Antsiranana anefa afaka nanao izay reviny sy maha diavolana ny sainy na efa dia fe-potoana aza. Izay resaka lalàna izany tsy dia mihatra sy manan-kery amin’ny volomboasary. Tena izao ve ilay hoe: Fanjakana tan-dalàna sy fitovian’ny rehetra eo ambany lalàna? Hotezaina amin’ny fampifandrafesana noho mizana tsindrian’ila hatrany olona? Rehefa ny tena no misioka dia voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondolo? Asa re mandra-pahoviana ity fanjakazakana sy fanohintohinana ny fahalalahan’ny hafa ity? Izao aza moa dia efa izany no sary miseho mainka fa aoriana kely! Rehefa tonga ny fampielezan-kevitra mety hisy kandida tsy havela hanao propagandy. Tena mihevitra ny tsy ho tratry ny aloka mandrakizay ve ny mpitondra ankehitriny ka zary lasa tandra vadin-koditra ny hetraketraka sy ny tsindrihazolena?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT