Fandraisana mpifindra monina tonga eto

Omen’ny OIM fiofanana ireo mpiasan’ny BNGRC


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Tsy mbola ny ady an-trano na Guerre Civile toa ny ankamaroan'ireo firenena aty Afrika hatreto no antony

mampisy ny mpifindra-monina eto Madagasikara fa ny fisiana loza na tandin-doza mety manimba ny fonenany sy ny tontolo manodidina azy raha eo ihany koa ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro.Ilàna faharinantan-tsaina sy fahaiza-manao nefa ny fitantanana ireny sites na toerana ahafahana mandray azy ireo ireny mba ho toerana maha - te honina na dia fifindrana anatin'ny fotoana fohy ihany aza no tsy maintsy handalovan'ireny olona ireny. Noho izany indrindra dia miatrika fiofanana mandritry ny 10 andro eny amin'ny Hotely Aviavy Andakana ireo mpiasa maro eo anivon'ny BNGRC na ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary. Ny OIM no tompon'antoka amin'ny fampandehanana ny fiofanana raha ny Japoney no mamatsy vola. Manam-pahaizana iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina kosa no mampiofana. Fiofanana izay tena miditra amin'ny vontoatin'ny fitantantanana sites amin'ny fotoan-tsarotra ho an'ireo mpifindra monina na voatery mifindra monina noho ny antony tsy miankina aminy. Miisa 40 ireo mpiofana ka ankoatran'ny ekipan'ny BNGRC dia manana solontena ao ihany koa ireo manana andraikitra amin'ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza eto amintsika toa ny Vokovoko mena ,sy ny tafika malagasy ary ny Kaominina an-drenivohitr' Antananarivo sy ireo hafa nahazo fanasana.
Pati
Legende : Nandritra ny fiofanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT