Minisitera anisan’ny ahazoana fitarainana be indrindra amin’ny resaka kolikoly ny an’ny fanabeazam-pirenena.
Fomba ampiharin’ny mpitantana azy vaovao hialana amin’izay sy hanenana koa ny fikasana hanao kolikoly amin’ny fandraisana mpampianatra dia nisintaka amin’ny fisafidianana ireo mpanabe vaovao ny Minisitera. Nomena andraikitra bebe kokoa ny Cisco sy DREN izay lasa misahana ny fandraisana ny antontan-taratasy sy ny sivana. Amin’ny fanamarinana ny maha ara-dalàna sy mampitombina ny safidy kosa vao miditra an-tsehatra ny Minisitera araka ny nambaran’ny Minisitra Paul Rabary. Ankoatra izay dia tsy misy intsony ny fampidirana mpampianatra FRAM vaovao fa ajanona amin’ireo 75.000 efa am-perinasa amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.