Fandraisana miaramila 820

Sahia mitoroka izay mahita kolikoly !


  • Alarobia 14 Mey 2025

Naneho ny Minisiteran’ny Foloalindahy fa misy ny lamina napetraka ny fanatanterahana ny rengagement na

fanokanana ireo miaramila ho mpiasa raikitra amin’ity taona 2025 ity. Taorian’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 30 aprily 2025, nambara fa nanomboka avy hatrany ny fanomanana ara-drafitra ilaina amin’izany. Raha tsiahivina, tsy nisy ny fanokanana miaramila ho mpiasa raikitra tamin’ny taona 2024, ka miisa 820 no andrasana ho raisina amin’ity taona ity. Milaza io Minisitera io, fa dingana hentitra sy mizotra amin’ny mangarahara no arahina amin’ny fifantenana. Vaomiera telo lehibe no voatendry hitantana izany: Ny eny anivon’ireo sekoly miaramila sy vondrona rehetra, eny amin’ny Etamazaoron’ireo tafika, ary ny vaomiera fahatelo dia miahy ny Etamazaoro telo, dia ny tafika an-tanety, an-dranomasina ary an’habakabaka. Ankoatra ireo, dia hisy ihany koa vaomiera fanadihadiana manokana alohan’ny hanombohan’ny fiofanana ofisialy. Nambaran’ny Ministera fa maimaimpoana tanteraka ny fidirana amin’ny « rengagement ». Voarakitra anaty torolàlana fa mila hajaina ny mangarahara sy ny fitsipika, ary ho avy hatrany amin’ny Filankevitra ara-pitsipi-pifehezana sy fitsarana ady heloka bevava ireo tratra manao kolikoly na antsirambina amin’ny dingana rehetra. Nanao antso avo ny tomponandraikitra ho an’ny rehetra, fa “Raha misy porofo momba ny fakana vola na kolikoly mandritra ny fizotry ny rengagement, dia tokony sahy hitory sy hanatitra izany manoloana ny tomponandraikitra.” , hoy ny toromarika. Isan’ny adihevitra moa ny hoe : sao tsy tokony hisy ny fiantsoana zazavao marobe isan-taona, mety in-droa isan-taona aza, kanefa vitsy ihany no raisina ho miaramila raikitra avy eo. Toerana 820 kanefa 10 000 eo ny miandry « rengagement » ka sao lasa manamaro isa ny dahalo izay tsy voaray, hoy ny olom-pirenena.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT