Mbola ao anatin’ny fahamehana ara-pasalamana hatreto isika eto Madagasikara ary toy izany ihany koa amin’ny ankapobeny ireo firenen-kafa maneran-tany.
Mikasika ny tohin’ny fandraisana ireo Malagasy nampodiana noho ny fisian’ny fepetra tsy maintsy raisina amin’ny mety hiverenan’ny fipariahan’ny aretina Covid 19 eto Madagasikara indray, noho izany, dia nampita vaovao ny avy eo anivon’ny orinasam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar fa manodidina ny 50 isa eo ireo hotely efa voaomana handraisana ireo mpiray tanindrazana nampodiana ireo mandra-piandrin’ny valim-pitiliana vaovao natao tamina na “contre-test”. Miantso ireo izay voakasik’izay fampodiana izay araka izany ity orinasa ity mba hamandrika mialoha izay hotely safidiany hiandrasany izay valim-pitiliana izay. Eo ihany ny fangatahana amin’ilay hotely ny hikarakarana ny fifindran’izy ireo miainga avy eo amin’ny seranam-piaramanidina hihazo izay trano fandraisam-bahiny izay. Isan’ny fanontaniana lehibe mipetraka kosa ny hoe aiza ho aiza ny fipetraky ny fanampian’ny fitondram-panjakana ao anatin’izany rehetra izany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.