Actualités

Fandraisan’anjaran’ny banky BNI tany amin’ny SIM Mpanjifa iray no notolorana loka


  • Alarobia 17 Septambra 2014

Mpanjifa iray, dia Rakotoson Herimanana, raim-pianakaviana tsy an’asa no nitsikian’ny vintana tamin’ilay tombola nokarakarain’ny Banky BNI teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena eny Mahamasina nandritra ny Salon de l’Industrie de Madagascar ny faran’ny herinandro teo, nentina nanandratana avo ny vita Malagasy.

. Ny Alatsinainy lasa teo no nandray ny lokany ity raim-pianakaviana ity taorian’ny fisarihana natao ka tablette marika HP no azony. Tao anatin’ireo  anaran’olona miisa 810 nandray anjara no nahazoana ny anaran-dRakotoson Herimanana, ny Alahady hariva lasa teo. Tsara ny manamarika fa anisan’ny nanampy betsaka ireo olona sy mpandraharaha malagasy tonga nanatona azy ny banky BNI nandritra iny Sim 2014 iny. Anisan’izany ny torohevitra nomena azy ireo mikasika ny fampindramam-bola izay tokony ho vaindohan-draharaha rehefa hanatanteraka tetikasa iray.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT