Fandrahonana sy fanalàm-baraka

Karohana Rakotomanana Arivelo


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Koloina Resaka fandrahonana, fanalàm-baraka tamin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera,

fitakiana vola ho tambin’izany rehetra izany ihany koa ankehitriny no antony nanaovan’ny borigadin’ny zandarimaria eny Itaosy antsoavo ho fikarohana an’i Rakotomanana Arivelo Koloina. Efa tapa-bolana latsaka izao, raha ny fampitam-baovao, no nanjavonan’ity tovovavy 24 taona ity. Antsoina, noho izany, ireo mpitandro filaminana na avy amin’ny zandarimariam-pirenena io na polisim-pirenena na iza mba hisambotra ity tovovavy ity avy hatrany raha sendra mahita ny misy azy. Azo atao ihany koa ny miantso ny laharam-pinday, 0341400955, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Teraka tao Moramanga ny tovovavy ary tao Ankatso kosa no adiresy voalaza fa nonenany farany nialoha izao tsy nahitana popoka azy izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT