Fandrahonana mpanao gazety

Nomelohin’ny depioten’i Sambava Ramilison Ange Richard


  • Zoma 05 Janoary 2024

Manameloka ny fandrahonana ho faty ny mpanao gazety ny

depioten’i Madagasikara voafidy tao Sambava Atoa Ramilison Ange Richard, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nambarany fa mampalahelo ny zava-misy eto Madagasikara tato ho ato amin’ny ny fanaovana tsontsinona ny mpanao gazety, indrindra ny fandrahonana azy ireo amin'ny fanaovana ny asany. « Koa eto aho milaza manoloana ny fandrahonana ho faty ny mpanao Marino eto Sambava fa manameloka 100% izay antsojay izay, ary vonona izaho handray andraikitra fa tsy maintsy henjehina izay nahavita izany zavatra izany ho atolotra ho an'ny tompinandraikitra », hoy ny depiote Ramilison Ange Richard. Nampahery ny mpanao gazety rehetra ihany koa, araka ny valan-dresaka nataony tamin'ny mpanao gazety manontolo tao Sambava omaly maraina tao amin'ny birao fiasany. Ny avy ao amin'ny zandarimaria Sambava kosa no nandray an-tanana ny fanokafana fanadihadiana lalina momba ity tranga ity, raha ny vaovao voaray.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT