Maniry tsara avokoa ny 90% amin’ny hazo novolena tao amin’ny Fitantam-paritry ny
Fandraharahan’ny Fonja ao Vakinankaratra, hoy ny fampitam-baovao. Efa natokana ho toeram-pambolena ho an’izy ireo ny Tobim-pamokaran’ny Fonjaben’Antsirabe Mahandraza, ka mandeha ny ezaka samihafa hanajariana izany. Voaaro avokoa ireo voly eny an-toerana, satria misy mpiasa ao amin’ny fonja monina eny, ankoatra ireo voafonja voafantina manokana izay ampanaovina asa fambolena eo ambany fifehezan’ny mpanara-maso, hoy hatrany ny tatitra. Nahavita fambolen-kazo fanaony ny Fitantanam-paritry ny fandraharahan’ny Fonja ao Vakinankaratra ny volana Febroary lasa teo, ka zanakazo miisa 750 no novolena nandritra izany. Nandray anjara avokoa ireo fonja rehetra ao anatin’ny fari-piadidian’ny DRAP Vakinankaratra, dia ny fonja ao Antsirabe, Ambatolampy, Betafo, Mandoto ary Faratsiho.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.