FANDOROANA VOLA

Mety hampigadra, efa nisy voasambotra


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Mety hidirana any am-ponja mihitsy ny fanaovana fihetsika tsy voatandrina eny anivon’ny fiaraha-monina.

Anisan’ireny ny fanimbana fananam-bahoaka toy ny fandoroana vola. Ny sandan’izy ireny fotsiny mantsy no an’ilay tompom-bola na ohatrinona na ohatrinona raha araka ny fanazavan’ny zandarimariam-pirenena fa ilay ravim-bola kosa dia fananana iombonana. Voararan’ny lalana araka izany ny fandoroana azy ireny na inona na inona no mety ho ao ambadik’izany. Voatery nosamborina omaly ary natao fanadihadiana ao Andapa noho izany ilay tovovavy nanaparitaka horonan-tsary mandoro vola tato anaty tambajotram-pifandraisana facebook tamin’ny faran’ny herinandro teo. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha. Raha araka ny fantatra moa dia tsy misy tanjona loatra ity fihetsika ity fa fitiavana te-hiavaka amin’ny hafa fotsiny ihany no sady te-haneho ihany koa fa mahavita mandoro vola ilay olona satria manana betsaka na dia sarotra aza ny fiainana.

Raha ny fampahafantarana navoakan’ny zandarimariam-pirenena omaly takariva, dia efa voasambotra ilay tovovavy isan’ny namoaka sary naneho fandorana vola tamin’ny tambajotran-tserasera, izay heverina fa mety ho henjana ny sazy miandry azy. Mila tandremana hatrany ny fihetsika indrindra fa ity resaka « challenge » amin’ny facebook ity satria mety hampidi-doza raha raisina amin’izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovovavy nanao ilay fihetsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT