FANDOAVANA VIDIN-JIRON'NY JIRAMA

Tsy misy fandaminana, mampijaly ny mpanjifa


  • Zoma 30 Mey 2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

hatramin'ny nisian'ny opération jiro mora teto amintsika. Lany tapak'andro mantsy ny mpanjifa iray raha kely vokatry ny fisian'ny filaharambe izay tsy hifankahitana isan'andro. Manampy trotraka izany ny delestazy mitranga eny anelanelam-potoana ka hamerenana ny mpanjifa ho amin'ny rahampitso indray arahin'ny fizarana ticket kely. Raha araka ny fanadihadiana natao dia marobe amin'ny isan-tokantrano vokatr'izany no manakarama olona milahatra vao maraina amin'ny 05 Ora. Handoavana 5.000 Ar io olona io raha kely miampy fahana 500 Ar hiantsoany rehefa olona 5 na 2 sisa no eo alohany, indrindra fa ho an'ireo mbola maika hiasa. Mahatsiaro mijaly ny mpanjifa noho izany. Amin'ny ankapobeny tokoa mantsy dia tokony hisy ny fandaminana apetraky ny orinasa JIRAMA. Hatokana ireo mpandoa jiro tsotra ohatra. Hatokana toraka izany koa ireo tokantrano misitraka ilay jiro mora raha toraka izany koa ireo mpividy credit. Diso mifangaro voraka loatra mantsy ny fandraisana an-tanana ireo mpanjifa ka tokony jerena akaiky.
Pati
Légende : Tahaka izao ny filaharana hiainan'ny mpandoa jiro isan'andro !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT