Manomboka amin’ny volana janoary 2021 no haloha tsikelikely mandritra ny 5 hatramin’ny 10 volana ny fanefana faktiora nasiana fandeferana tamin’ny fihibohana.
Hisy ny taratasy ho manamarina ny fandaniana homena ny mpanjifa. Manomboka amin’ity septambra ity, dia miverina amin’ny laoniny. Fanambin’ny Jirama ny hanatratra ny “équilibre opérationnel” na fifandanjana eo amin’ny fandaniana sy fidiram-bola. Nandritra ny atrikasa tanterahin’ny Jirama any Antsirabe no nilazan’ny Tale Jeneraly Atoa Vonjy Andriamanga an’io, ka any an-toerana no hisitraka ny tolotra vaovao voalohany homen’ny Jirama, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.