Actualités

Fandidiana katarakta Mahatratra 200.000 Ar ny vola ilaina amin'izao


  • Alarobia 09 Jolay 2014

Mahatratra 200.000 Ar ny vola ilaina amin'izao raha handidy katarakta. Ankoatra io ny vola lany amin'ny fivezivezena sy ny sakafo. Mikasika io aretina io manokana dia mahatratra

60.000 isa ireo olona efa navotan'ny Lions Sight First teto Madagasikara tao anatin'ny 15 taona nijoroany. Mba hahafahana manohy hatrany ny asa fitsaboana ireo olona tsy manana fahafahana amin'izany ary dia nanolotra fitaovana mitentim-bidy 92 tapitrisa Ar ho an'ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha ny fikambanana omaly. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Lions Sight First tamin'ny Eglizin'i Jesoa Kristy ny Olomasin'ny andro farany no nahazoany ireo fitaovana ireo. Tanjona ny hahafahana mitsabo amin'ny sarany mora hatrany ireo marary izay tsiahivina fa manomboka amin'ny 10.000 Ar ka hatramin'ny 50.000 Ar. Ny hopitaly HJRA no nangataka ny fanampiana noho ny fahanteran'ireo fitaovana misy ao aminy hitsaboana ny marary.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT