Actualités

Fandevenana eny Anjanahary Telo ny fangatahana voarain’ny BHM Isotry hatreto


  • Zoma 10 Jolay 2020

Telo hatramin’ny alarobia lasa teo ny fangatahana nandalo teo anivon’ny BMH ( Bureau Municipal d’hygiène)

 

 

 etsy Isotry mikasika ny fangatahana handevina vonjimaika eny Anjanahary ho an’ireo razana tokony hivoaka ivelan’ny Faritra Analamanga. Tsy voatery ho olona matin’ny coronavirus hoy ireo tompon’andraikitra no alevina eny an-toerana fa na olona maty tsotra aza dia mety saingy manaiky kosa ny fianakaviana fa haka sy hamindra izany rehefa tapitra ny hamehana ara-pahasalamana. Tsy mitambatra ihany koa ny toerana hametrahana azy ireny hoy izy ireo fa samihafa mihitsy. Mikasika ireo olona mangataka ny handevenana ny havany eny an-toerana kosa ary tsy mikasa ny haka izany intsony dia tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana manokana avy amin’ny Ben’ny tanana izy ireny vao azo tanterahina izany. Nomarihin’ny teo anivon’ny BMH Isotry moa fa vonona hatrany izy ireo ny handray ireo olona mila fanazavana mikasika izany hahafantaran’izy ireny ny hataony sy ny tsy tokony hataony.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT