Fandaniana solika eto Madagasikara

Nitombo 6%, fositra voalohany ny fahasimban’ny làlana


  • Alarobia 09 Oktobra 2024

800 hatramin’ny 1600 taonina isan’andro ny fakon’Antananarivo izay isan’ny tena

Nisy fiakarany 6% ny fandanian-tsolika nampiasaina tamin’ny fitaterana an-tanety tamin’ity taona ity teto Madagasikara. Ny tatitry ny Minisiteran’ny toekerana sy ny fitantanam-bola tamin’ny alalan’ny antontan’isa nomen’ny Ofisim-pirenena mikasika ny akoran’afo na OMH, dia namoaka fa nahatratra hatrany amin’ny 286 041m3 ny solika nampiasain’ireo fiara teto nandrindra ny 6 volana voalohan’ny 2023, raha toa ka 305 014m3 ho an’ny taona 2024 tao anatin’ny vanim-potoana nitovy, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray omaly. Ny fahapotehan’ny làlana no isan’ny voasakajy ho antony voalohany. Ny haratsian’ny làlana no miteraka fandaniana mihoatra ny solika, raha ny filazan’ny departemanta misahana ny vola tao mikasika ny fivoaran’ny toekarena nasionaly. Ny mpampiasa làlana dia mitondra anjara biriky amin’ny fikojakojana ny làlana eto Madagasikara amin’ny amin’ny alalan’ny RER (Redevance allouée au Fonds Routier) izay alaina avy hatrany amin’ny vidin’ny solika lafo. 288Ar isaky ny litatra ho an’ny Super carburant, 134 Ar isaky ny litatra ho an’ny gazoala, raha toa ka tsy misy na 0Ar ho an’ny solika fandrehitra. Raha ny tatitra hatrany, tombanana ho 1,245 tapitrisa m3 ny solika heverina fa ho lanin’i Madagasikara amin’ity taona ity, raha ny vinavinan’ny OMH niainga tamin’ny tsenan’ny solika nandritra ny 3 volana voalohan’ity taona ity. Mahatratra hatrany amin’ny 701 386m3 ny tomban’ny ho fandaniana gazoala, raha 186 577m3 kosa ny « Super carburant » na lasantsy, raha ny tomban’ny OMH. Ny 1m3 dia manome 1000 litatra ka raha 134 Ar isaky litatra ho an’ny 701 386 000litatra alaina amin’ny gazoala izany dia manome 93 985 724 000, ary 53 734 176 000Ar ny ampidirin’ny lasantsy, izany hoe : manodidina ny izany hoe eo amin’ny 146 miliara Ar izany ny vola alaina mivantana amin’ny solika isan-taona, raha miainga amin’ny kajy io. Mbola mety misy ny haba sy hetra hafa ivelan’izany. Marina fa mety tsy ampy hikojakojana ny làlana, saingy tsy mifanaraka amin’ny vola tangosana amin’ny fividianana solika mihitsy ny kalitaon’ny lalam-pirenena eto amintsika. Ny fandaniana solika fotsiny izay, fa mbola fantiantoka goavana ny fitohanan’ny fifamoivoizana raha raisina ho ohatra ny eto Antananarivo satria mahatratra 40 tapitrisa dolara isan-taona, raha ny kajikajin’ny kandida ben’ny tanàna iray. Dia tena hoe : tsy azo amboarina sa ny fitantanana no tsy mahomby ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT