Actualités

Fandaniam-bola tsy mamokatra Nananganana Coliseum i Fianarantsoa


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Taorian’ny teny Anatirova izay niteraka fifanoheran-kevitra, dia nanao serasera ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny

Sekretariam-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana SENVH fa voahaja ny teny nomena, ary mandroso ny asa fanamboarana ny Coliseum ao Ambatomena Fianarantsoa. Vita ny 70% ny coliséum izay mahazaka mpijery hatramin’ny 20 000, hisy fefy sy loge artista, ary hotohizana amin’ny fanajariana ny « avenue commerciale », raha ny tatitra. « Tsy mijanona ho nofinofy intsony ny fanorenana ny ivom-pampandrosoana ao Ambatomena Fianarantsoa araka ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena tanterahin’ny eo anivon’ny, ary mendrika ny hanana fotodrafitrasa hitondra tosika ho an’ny fampandrosoana sy manome endrika vaovao ny tanàna ny faritra Matsiatra Ambony », hoy ny seraseram-panjakana. Nambara fa manana ny lanjany ny tanànan’i Fianarantsoa ka mendrika ivom-pampandrosoana izay tafiditra anatin’ny tetikasa tanàna vaovao atao ao an-toerana tsy nisy nanatanteraka hatramin’izay. Hampiakatra ny lazan’ny tanàna, hanosika ny toekarena, hanome vahana ny kolontsaina ary hampiray ny mponina ny fotodrafitrasa toy izany, raha ny firesaky ny mpitondra. Asa nitondra inona ary izao ny Colisée tetsy Anatirova ? Tena ireny ve no maika sy laharam-pahamehana sa dia fanohizana ny politikam-pandanindaniam-poana efa tsy nahomby hatrizay ? Io izao ny teleferika dia zary volabe sy trosa mihantona eo ? Tena izao zavatra sadasada samihafa izao ve no antsoina hoe : asa fampandrosoana sy fandrosoana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT