Fandaminana ny tsena eto Antananarivo

Henjana ny miandry izay ho ben’ny tanàna eo


  • Zoma 11 Oktobra 2024

Goavana ny miandry izay ho ben’ny tanàna eo, raha ny mikasika ny fandaminana ny tsena eto Antananarivo

no resahina. An-taonany maro no efa niezaka, azo lazaina hoe nanery mihitsy aza, ny sasany tamin’ireo ben’ny tanàna sy mpitantana ny tanànan’Antananarivo nandalo mba tsy hisian’ny fibahanan’ireo mpivarotra na ny tsena amin’ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Tsikaritra ho fototry ny olana ny fandavan’ireo mpivarotra hiditra any anatin’ireo fotodrafitrasa natsangan’ireo mpitantana mba ho antsoina hoe tsena. Na etsy Besarety io na Behoririka na Andravoahangy, rehefa mety natsangana ho tsena eto Antananarivo, dia hita ho saika babangoana fotsiny eo. Tsy azo lazaina ho haingon-tanàna akory fa dia dia foana fotsiny izao. Lasa kolontsain’ny mpivarotra eto Antananarivo mihitsy ilay hoe mivarotra amoron-dalana. Ety, hoy ny valintenin’ny ankamaroan’izy ireo, no mora hitan’ny mpividy. Ireo mpividy koa moa tsy voataiza hiditra any anaty tsena tokoa ny ankamaroany. Fanabeazana maha olompirenena efa matetika navezivezy tamina fantsona isan-karazany, na haino vaky jery io na boky na tambazotran-tserasera hatrany an-tsekoly sy toerana samihafa, ny hoe ny tena olompirenena tsy mividy zavatra eny amoron-dalana fa mampiana-dratsy ireo mpivarotra. Ny hiaraha-mahita nefa dia mbola vitan’ireo mpivarotra hatrany ny manjono ny ankamaroan’ireo mpanjifa hiantsena eny amoron-dalana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT