60% amin` ny raharaham-pitsarana dia ady tany avokoa. Mizara roa izany raha ny tatitra voaray: ady tany tsotra, izany hoe fifanolanana eo amin`ny samy mpandova na koa tany misy nivarotra fanindroany, …
Ireny raharaha ireny dia mandeha amin` ny fitsarana ady heloka tsotra sy ady heloka bevava. Misy kosa ady tany niandohana tamina resaka hosoka izay mandeha eny amin` ny fitsarana ady madio. Na dia izany dia misy fiaraha-miasa amin` ny sampandraharaha misahana ny fananan-tany sy sarin-tany. Raha tsy misy boky mazava momba ireo raharaha dia sahirana ny fitsarana hanamarika amin`ny famohana didim-pitsarana ara-drariny sy araky ny lalàna. Ny minisiteran` ny fitsarana moa dia manentana amin` ny fampahafantarana ny lalàna, ka miezaka manenjika ny famoahana ny didm-pitsarana amin`ny farany izay indrindra. Tsara no manamarika fa manahirana io ady tany io raha eto amintsika. Ho an`ny Malagasy mantsy, ankoatra ny omby dia ny tany no harena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.