Actualités

Fandaminana ireo tsenan’Antananarivo Ho raharaha ny an’ny ben’ny tanàna


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Tsaroana ny fampanantenan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny fony izy mbola nanao fampihelezan-kevitra ka tsy nisalasala nilaza hoe teneno ny ben’ny tanana raha tsy afaka ny fako.

 

 

 Iaraha-mahita anefa izao ny zava-misy tao anatin’ny herintaona latsaka kely fa tsy tomombana ny fanangonana ireo fako isam-pokontany. Mbola misavovona ary maloto ny tanana vokatr’izany. Etsy ankilan’izay dia mampametra-panontaniana ihany koa ny mikasika ny fandaminana ny tsena satria mbola tsy afaka ireo mpivarotra amoron-dalana ary nitombo aza vokatry ny fahaverezan’asa maro nateraky ny krizy. Ny tsena vaovao tena mety hahafahan’ireo mpivarotra misarika mpanjifa tsy mbola misy. Mbola mitohy ny fitsoahan’ireo mpivarotra amoron-dalana ireo mpitandro filaminana eny Behoririka, Analakely, Ambohijatovo sy ny hafa rehetra. Hita ho raharaha ihany araka izany ny an’ny ben’ny tanàna, indrindra, raha mbola sanatria mitohy izao krizy ara-pahasalamana izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT