Actualités

Fandalovan’ny rivodoza Tafakatra 4 no maty, 15 000 mahery traboina


  • Talata 07 Martsa 2023

Hatramin’ny omaly 6 martsa tamin’ny 7 ora hariva, tafakatra 4 ireo olona namoy ny ainy, izay 2 zazakely ary 2 vehivavy,

raha ny tatitra vonjimaika voaray avy tamin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC). Ny 1 tamin’ireo namoy ny ainy dia tao Bekily anatin’ny Faritra Androy, raha toa ka samy tany Atsimo Andrefana avokoa ny 3 hafa, izay tao Morombe ny 2 ary tao Toliara II ny iray. Tafakatra 15 281 kosa ny olona traboina, izay avy amin’ny tokantrano 3 622, ka faritra 3 no tena nahitana azy ireo dia tao Atsimo Andrefanam sy Androy ary Menabe. Nahatratra 10 958 izay avy amin’ny tokantrano 2 665 no nafindra toerana ka ny 3 164 izay tokantrano 738 dia ao amin’ny Toeram-panatobiana traboina ao Toliara I, Toliara II, Mahabo, Manja ary Morombe ; 7 794 ny any amin’ireo faritra sasany. Ho an’ny ara-pitaovana, nahatratra 2 695 ny trano dibo-drano, 618 trano rava. Maro ny fotodrafitrasa simba, tahaka ny làlana izay tapaka vonjimaika, ary misy ny tapaka tsy azo haleha mihitsy. Ho an’ny sehatry ny fanabeazana manokana, nahatratra 24 ny efitranon-tsekoly simba tamin’ny ampahany ary 4 kosa simba manontolo.
ORANA MATEVINA
Raha ny tatitra, tany amin’ny 130 km Atsimo Andrefan’I Toliara ny ivon’ny rivodoza Freddy omaly tamin’ny 3ora tolakandro ary tao anatin’ny sokajy FTP (Forte Tempête Tropicale). Novinavinaina ho mitondra rivotra 90km/ora sy tafiotra 125km/ora. Nikisaka miankandrefana-atsimo-andrefana amin’ny hafainganam-pandeha 0,5km/ora. Mitondra ora-mikija hatrany (50-90mm) ho an’ny tapany atsimo sy atsimo-atsinanana ary ny atsimon’I Madagasikara. Napetraka ao anatin’ny filazana miloko mena na loza mitatao noho izany ny distrikan’I Morombe, Toliara I-II, ary Betioky. Fanairana miloko maitso kosa ho an’I Menabe sy Beroroha. Marihina fa efa mizotra mitodika any Mozambika indray I Freddy ankehitriny, saingy mbola miantraika ny fandalovany satria hitoetra ao anatin’ny 3 andro eo ny orana aterany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT