Actualités

Fandalovan’i Freddy tao Ambositra Maro ireo fotodrafitrasa tra-pahavoazana


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

EPP Amongy, EPP Tanetibe, hisy ny tagnamaro hiarahan'ny raiamandrenin'ny mpianatra , ny mpampianatra, ny Chef ZaP, ny tale, ny mpampianatra, hanarina ny tafo,

hoy ny fampitam-baovaon’ny ben’ny tanana ao Ambositra, Haingo Nambinina, nidina ifotony nijery ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Freddy izay nandravarava tao an-toerana. Isaorana ny DREN, ny CISCO hanampy, hoy izy. Izay tsy tratra angatahana fiaraha-miasa amin'ny fanjakana. Ambobary, Ankorokana, Antoetra, manolo-tanana, manampy, nanome izay voatsirambin'ny tanana, hamatsihana ny tafo, hanapahana ny hazo. Lalana ankeniheny , tena sarotra ny fandrasana. Eny rehetra eny isika mankahery ny vahoaka. Isaorana Andriamanitra fa tsy nisy aina nafoy. Mankahery ny traboina sy rava fananana. Manao ny zara asa ary mankahery ny sampana tekinika na “service technique” amin'ny asa be fandiovana, hoy hatrany ny tenany. Araka ny fampitam-baovao hafa moa dia nisy fahavoazana ny maro tamin'ireo CSB na tobim-pahasalamana ao amin'ny distrikan’Ambositra toa an'i Nandihizana. Ny trano fonenan'ny mpiasa ihany koa dia nisy voakasika, tahaka ny tao amin’ny CSB 2 Vatambe sy CSB 2 Ambatofitorahana ary ny tao Alakamisy Ambohijato. Maro nefa ireo simba ny foto-drafitr'asa tahaka ny “fausse sécurisé” izay rava fefy toy ny tao amin’ny CSB 1 Ambalalehibe, CSB 2 Fahizay,CSB 1 Ankosy,CSB 1 Behena Fandraofana. Ny fahasimban'ny “Panneau solaire” tao Kianjandrakefina. Na Dia nianjera aza ilay hazo be teo akaikin'ny biraon'ny SDSP dia tsy nahakasika ny trano izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT