FANDALOVAN’I BATSIRAI SY EMNATI

Nahatratra 90.219 ireo olona nifindra monina


  • Alakamisy 11 Jolay 2024

Nahatratra 90.219 isa ireo olona niala ny toeram-ponenany vokatry ny fandalovan’ny

rivo-doza Batsirai sy Emnati teto amintsika izay nahakasika ny faritra Atsimo Atsinanan'i Madagasikara. Nampiasaina namantarana io antontan’isa io ny DTM na Displacement Tracking Matrix. Tanjona tamin'ny fampiasana io fitaovana io ny fanamorana ny famantarana ny filàn'ireo olona nifindra monina ireo. Distrika 8 no nanaovana fanadihadiana nanomboka ny volana jolay , aogositra ary septambra taona 2023 izay mbola nitohy tamin’ny volana May taona 2024 lasa teoo. Ny DTM ihany koa no nahalalana fa nisy faritra tena voa mafy tamin’ny rivo-doza Batsirai sy Emnati. Nahatratra 43% ny fahasimbana tao Vatovavy, 38% ny tao Atsimo Atsinanana raha 28% ny tao Fitovinany. Na efa ela aza no nisian'ireny loza voajanahary ireny, mbola maro ny tohana ilain'ny mpifindra monina hoy ireo tompon’andraikitra toy ny toeram-ponenana, ny rano fisotro madio, ny tolotra ara-pahasalamana ankoatra ny fanohanana ara-tsaina sy ara-tsosialy. Ny tetikasa SOREBE (Soutien au Relèvement Précoce) moa dia tetikasan' ny OIM vatsian'ny Governemanta Japonais vola raha mpiara-miasa akaiky kosa ny BNGRC na ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT