FANAVOTANA AIN' OLONA LATSAKA AN-DRANO

Manome fiofanana maimaim-poana ny Sampana Mpamonjy voina


  • Talata 03 Jona 2025

Tranga mampalahelo mateti-pitranga eto amintsika ny fandrenesana olona maty an-drano.

Tafiditra ao anatin'izany ireo mitaingin-dakana ka tojo loza tampoka toy ny namoizana Renim-pianakaviana iray vao herotrerony volana vitsy lasa izay tetsy amin'ny ranon'Ikopa mandalo eny amin'ny Fasan'ny Karana.Azo hatao tsara anefa ny manavotra ireny olona latsaka an-drano ireny raha manana traikefa amin'izany ireo mpitondra lakana. Tsy nitazona fotsiny ny traikefa hananany ny Sampana Mpamonjy voina etsy Tsaralalana noho izany fa nizara ny traikefany tamin'ireo voakasika nanomboka omaly Alatsinainy 02 Jona. Mba ho fisorohana ny loza amin'ny fiampitana lakana amin' ny reniranon'Ikopa no tanjona. Haharitra 05 andro ny fiofanana. Raha araka ny fantatra dia hizara roa mazava tsara ny fiofanana. Ny roa andro voalohany dia hiompana amin'ny fampianarana teorika izay hifarana anio Talata raha hanaovana ny fampiharana kosa ny telo andro faharoa sady farany. Am-polony ireo tonga niatrika izany hatramin'ny omaly ka mpitondra lakana ny ankamaroany, Raim-pianakaviana mivelona amin'izany asa izany.
Pati
Légende : Nandritra ny fampiofanana natao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT