Actualités

Fanavaozana ny tanànan’Antananarivo Hanampy ny japoney


  • Zoma 22 Septambra 2017

Nandinika ny drafi-panajariana fanavaozana ny tanànan’Antananarivo sy ny tetikasa goavana Tatom (Antananarivo Toamasina Madagasikara) teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly ny Jica (Japan International Cooperation Agency),

ny minisitera momba ny fanajariana ny tany, ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa samihafa ary ny mpitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Voadinika tao avokoa ny lafiny toekarena, ny sosialy ary ny fotodrafitrasa toy ny famoronana asa, ny firafitry ny tanàna, ny fampiasana ny tany, ny fitaterana, ny famatsiana rano, ny fampianarana sy ireo sehatra maro hafa. Ilaina ny lamina vaovao ho famahana ny olana sy hibanjinana ho avy tsara kokoa izay efa vinan’ny Fiadidiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra hatramin’ny taona 2035, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Efa zatra miara-miasa amin’ny hafa rahateo ny tenany ka niantso ny fitondram-panjakana hiara-kiasa amin’ireo rantsamangaika rehetra, araka ny toromarika voarainy tamin’ireo fivoriana marobe natrehany tany Canada, Colombie ary Afrika Atsimo. Efa nialoha lalana anefa ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo tamin’ny fidinana ifotony nijery ireo «agriculture urbaine» teny amin’ireo kaominina manodidina. Hojerena akaiky avy hatrany kosa ny fiaraha-miasa azo atao amin’izao ankatoky ny orana izao. Hihaona sahady noho izany ireo solontena japoney sy ny mpitantana ny renivohitr’i Madagasikara ny 3 oktobra 2017 izao.

Nangonin-dRamano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT