Actualités

Fanatsikafonana an-gazety Olana ny fakàna loharanom-baovao


  • Zoma 19 Jona 2020

Nanome fankasitrahana ireo fanatsikafonana an-gazety mendrika ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM) omaly.

 

Raha tsiahivina dia nikarakara fifaninana momba ny asa fanaovan-gazety manatsikafona sy manadihady lalina ny TI-IM ny 23 martsa ka hatramin’ny 6 mey 2020 lasa teo izay mitondra ny anarana hoe « Grand Prix MALINA ». Marolafy ny tanjona tamin’izany ka anisan’izany ny fanasongadinana ny asa fanaovan-gazety manatsikafona mendrika indrindra momba ny kolikoly tamin’ny taona 2019. Eo ihany koa ny fampivoarana ny asa fanaovan-gazety fanatsikafonana eto Madagasikara sy ny fanomezana hasina ny asan’ireo mpanao gazety Malagasy. Vokatra 5 no nifaninana tao anatin’izay vanim-potoana izay ka ny 3 tamin’ireo no nomena loka omaly rehefa nandalo ny dingam-pitsarana. Teny amin’ny Havana Resort Ambohidahy no nanatanterahana ny fizarana ny loka ka ny nahazo ny voalohany dia ny lahatsoratra mitondra ny lohanteny hoe «ny fitantanana ny CHRR Morondava: mbola ahitana fanodikodinam-bola indray ». Niarahan-dRtoa Philiberte Amiko syAtoa Robert Namearison nosoratana izany. Fotoana ihany koa ny omaly nampahafantarana ilay horonantsary fohy notontosain’ny tambazotra MALINA tamin’ny volana may 2020 momba ny mahazava-dehibe ny fahafahana mahazo vaovao eto Madagasikara. Tsapa hatramizao fa voafehy ny fahafahana mahazo vaovao ary sarotra indrindra ny amin’ny fanatsikafonana sy ny fanadihadiana lalina tahaka indrindra ny amin’izao vanim-potoanan’ny krizy izao.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT