Raisin’ny orinasa JIRAMA an-tanana ny fanarenana an’Amoronakona. Tanjona ny hahafahana manatsara ny famatsian-drano amin'ny faritra Antsinanan'Antananarivo mialohan’ny main-tany.
Am-perin’asa manarina ireo tsy fahatomombanana rehetra ao amin'ny tobim-pamokaran-drano Amoronakona araka izany ny teknisian'ny JIRAMA omaly Alahady.Hamokatra rano fisotro madio 100m³ isan'ora ity tobim-pamokaran-drano ity ary hisitraka izany mivantana ny enyAmbohimangakely sy Ambohimahitsy. Hanatsara ny famatsiana amin'ireo faritra manodidina ihany koa ny fahavitany.Ankoatra ity tobim-pamokaran-drano efa miorina ity dia isan'ireo toerana hametrahana ilay "station de traitement d'eau conteneurisée " , izay afaka hamokatra rano 100m³ isan'ora ihany koa eny Amoronakona izay hamatsy an'Ambatomaro, Antsobolo any hatrany Ambohibe ilafy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.