Fanatrarana mpizahatany 1 tapitrisa hatramin’ny 2028

Mila ampiana 11.500 ny efitrano fandraisam-bahiny


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

Tanjon’ny minisiteran’ny fizahantany eto Madagasikara ny hahatafiditra mpizahantany miisa 1 tapitrisa

amin’ny taona 2028, hoy ny tale miandraikitra ny fampiofanana eo anivon’ny minisiteran’ny fizahantany sy asa tanana, Frank Rakotoson. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana izany tanjona izany, hoy izy, ny fanomezana fiofanana samihafa tontosaina fikambanana na sehatra hafa miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Miisa 11.500 eo no fanampina efitrano fandraisam-bahiny ilaina ahatongavana amin’izay tanjona izay. Antenaina, noho izany, fa ahita asa mifandraika amin’izany ireo izay nandalo fiofanana arak’asa mifanandrify amin’izany. Tsy maintsy misy ny fenitra sy lamina jerena mialoha ho an’ireo sehatra te hanome fiofanana mifandraika amin’izy ireny mialohan’ny hanomezana azy ireo fankatoavana hanatontosa ireny fampiofanana ireny. Ao anatin’izay fenitra sy fepetra takiana izay, ohatra, ny fotoana na «volume horaire» an’ilay fiofanana. Eo koa ny tondrozotra arahina amin’ilay fiofanana na «référentielle de formation». Ho an’ireo mpiofana ho lehilahy sy vehivavy mpikarakara efitrano fandraisam-bahiny na «Valée de chambre» sy «femme de chambre», ohatra, izao tena ilaina izay atao hoe «référentielle» izay. Ny minisiteran’ny fampananana asa no manome ny fankatoavana na «habilitation» mifandraika amin’iny. Na fiofanana ahazoana sertifika na mari-pahalalana, izany hoe «attestation» dia miainga amin’izay «référentielle» apetraka izay daholo. Ny mpampiofana koa tokony ho azo lazaina hoe ireo efa za-draharaha na avy amin’ireo sekoly ambony toy ny INTH sy ny tahaka izany dia manara-maso ny fampiofanana, noho izany, ny minisitera, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT