Fanatanterahana ny tetikasa Volobe

Nidinika tamin’ny Filoha


  • Alakamisy 29 Janoary 2026

ny mpiara-miombon’antoka ara-bola

Nisy omaly ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michael sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, nentina niresahana ny fanatanterahana ny tetikasa Volobe, famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny rano. Tsy mbola nisy ny tatitra antsipirihany, fa raha tsiahivina, dia isan’ny nambar’n'ny fitondram-panjakana ny 01 desambra 2025 ny famelomana indray ny tetikasa herinaratra avy amin’ny rano Volobe. Sokajiana ho « tena ilaina » amin’ny fampitomboana ny famokarana herinaratra eto amin’ny firenena sy amin’ny fampihenana ny fahatapahan-jiro io. Tamin’izany no nilazan’ny minisitra misahana ny Angovo sy ny Solika, Ny Ando Ralitera, fa nihemotra hatrany ny tetikasa Volobe sy Sahofika teo aloha, saingy hatao laharam-pahamehana ny famelomana azy hatramin’ny nandraisan’ny governemanta ankehitriny ny andraikitra. Ny tetikasa Volobe dia vinavinaina hamokatra 120MW, efa ny jona 2022 no nilazan’ny Fanjakana teo aloha niarahaka tamin’ny CGHV (Compagnie Générale d’Hydroélectricité de Volobe) fa ho vita ny 2026. Ny EDF (Électricité de France), Africa 50, ny Fanjakana Malagasy, hiampy ny AFD (Agence Française de Développement) amin’ny alalan’ny Proparco no voalaza fa isan’ny tompona petra-bola andrasana hanampy ny Vondrona Axian,… saingy asa ny fiovany aty aoriana ? Efa nilaza moa governemantan’ny Fanavaozana fa efa noraisina ny fanapahan-kevitra ilaina hanombohana ireo tetikasa roa lehibe dia i Volobe izay 120MW sy Sahofika 205 hatramin’ny 400MW, ary ny fanatanterahana azy dia antenaina fa hanampy amin’ny fampihenana maharitra ny fahatapahan-jiro eto amin’ny firenena. Andrasana ny fahatanterahany izay hifananindran-dalana amin’ny fanamby hafa toy ny nilazana fa miroso amin’ny fampiasana ny « panneaux solaire » izay miteraka fitsitsiana 46 tapitrisa litatra isan-taona, miteraka ambim-bava 184 tapitrisa dolara. Toy izany ihany koa raha hanafatra milina dia milina mandeha amin’ny menaka mavesatra na « huile lourde » fa tsy amin’ny gazoala hahafahana manana ambim-bava 41 miliara dolara isan-taona ka anatin’ny 2 taona izany 82 tapitrisa dolara hahafahana mandoa ny trosan’ny Jirama, araka ny fanazavana teknika tany aloha, nataon’ny Fanjakana ankehitriny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fampiofanana hanamory
  • Alarobia 22 Aprily 2026

fiaramanidina Nanenjana ny ACM, naato ny

  • FILOHAN'NY SMKAR
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny PDS

  • Niteny ny Lehiben’ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Franc-maçonnerie GODF

  • Toe-draharaha
  • Alarobia 22 Aprily 2026

politika mafana

  • Fampandrosoana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

sakanan’ireo mafia Voaporofo tamina firenena

  • Tafapetraka ny PDS
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Feno Ralambomanana

Hijery ny tohiny
FTT