Fanatanterahana ny hetsika Tazana

Misisika mafy ny Antso fiarahamonina Kristianina


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Na dia nanao fanambarana aza ny antoko politika Natiora fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka ilay hetsika antsoina hoe Tazana

izay kasaina ho atao ny 12 aprily izao eny amin’ny Espace Tazana Alasora dia misisika mafy ho amin’ny fanatanterahana izany amin’io andro io ihany ny fikambanana Antso fiarahamonina Kristianina na AFK. Araka ny fanazavan’ny filohan’ity fikambanana ity, Ricky Andriamparany, tamin’ny antso an-tariby omaly dia efa nahazo alalana ny hetsika ka ho tontosaina ihany. Tsiahivina fohy fa velankevitra momba ny hoe «Ahoana ny fahitanao ny hoavin’i Madagasikara, hamirapiratra be ve sa tsy misy ho antenaina?» no ho tontosaina amin’io fotoana io. Ny antoko Natiora, izay mpiara-mikarakara ny hetsika, kosa moa tetsy ankilany dia nanamafy tamin’ny alalan’ny filohany, Mihari-Ni-Rencho, fa tsy mbola handray anjara amin’ny hetsika fa miandry ny fotoana heverina fa ahafahana manatontosa izany milamina kosa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT