Fanatanterahana ny fanovana

Mila miala amin’ny « fomba fiasa tsy mety » natao taloha


  • Talata 04 Novambra 2025

Dia tsapa tokoa hoe mitsoka eto Madagasikara

ny rivotry ny fanovana.Hita sy re ny faran’ny herinandro iny sy omaly alatsinainy ny fidinana an-dalambe noho ireo fitakiana isan-karazany toa ny hoe avereno ny jiro sy ny rano, na koa hoe te hianatra izahay. Nisy ihany koa ny hoe mila miala amin’ny Cite Universitaire izay olona efa nahavita fianarana fa tsy manorim-ponenana sy manorin-tokantrano eny. Etsy ankilan’izay dia manohy ny fifampiresahana amin’ireo vondron’olona sy ankolafy ary sehatr’asa maro samihafa ny fiadidiana ny fanovana ny repoblika. Fantatra tsara fa efa tena samy sempotry ny fahasahiranana na mpiasam-panjakana io na mpiasan’ny sehatra tsy miankina, na mpiasa, na mpampiasa , na mpianatra …saingy tsy mora ny manova ary mbola lavitra ny lalan-kombana amin’ny fampivoarana ny fiainana eto amin’ny alalan’ny fanovana. Mila mahay miasa ary miasa haingana ireo mpitondra fanjakana, tsy tokony hanadino ny antony nahatonga ny tolom-bahoaka koa anefa. Ny tsirairay dia mila manao izay anjara tandrify azy, miezaka ny miova ary miala amin’ny fomba fiasa tsy mety…nahazatra tany aloha : fahakamoana, fahatarana, mametraka kely, tsy fandraisana andraikitra ara-potoana, fifanjanana, fanilihina rihitra any amin’ny hafa, tsy fanekena ho diso, tsy fihainoana ny hafa…. Tsy maintsy fifanomezan-tanana no atao ary ezahana vahana araka ny tena laharampahamehana ny olana. Tsy ho voavaha indray mandeha miaraka ny olana rehetra eto amin’ny firenena fa tsy maintsy milamina dia misesy. Omena 60 andro ny governemanta hoy ny Prezda kolonely izay dia efa manisa andro ny rehetra ary manantena fa efa ahitana taratra ilay fanombohan’ny fanovana io fe-potoana io. Légende : Mila manome vokatra azo tsapain-tanana ny governemanta hatramin’ny 26 desambra 2025 RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT