Actualités

Fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny filoha Miantso fangaraharana ny fiarahamonim-pirenena


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina,

 

 

 

 ny alin’ny 24 martsa 2020, teo izay nifantoka kokoa tamin’ny lafiny sosialy dia nanao fanambarana ny avy eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, ONG Hintsy, fa ankasitrahan’izy ireo izany fanapahan-kevitra izany. Isan’ny teboka voalazan’izy ireo ho manan-danja ny filazana fa nampitomboina avo roa heny ny fahafaha-mitily ireo fambara mikasika ity areti-mandripaka COVID19 ity. Zava-dehibe tao anatin’izay ihany koa ny lafiny fiahiana sosialy toy ny fitsinjarana ny lelavola mitentina 10 miliara ariary amin’ireo heverina fa mila izany nohon’ny tsy fahafahan’izy ireny mihary vokatr’ity fepetra ara-pahasalamana ity. Isan’izany ireo mpamily fiara karetsaka sy fitateram-bahoaka, ny mpivarotra amoron-dalana, ny mpivarotena. Eo koa ny fizarana ireo sakafo misy otrikaina ho an’ny sahirana sy zokiolona isam-pokontany. Miantso kosa anefa na izany aza izy ireo mba hatao mangaraharaha ny fanatanterahana ity fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ity.Izany hoe ampahafantarina tsara : iza no manao inona, tetibola ohatrinona no mankatsy sy mankaroa, ahoana ny fomba fizarana azy, inona ny fepetra takiana amin’ireo omena fanampiana, firy ny isan’ny olona hahazo fanampiana zakan’ny tetibola am-pelatanana.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT