Fanarenana sy fampiroboroboana ny toekarena

Hotanterahana ny 19 desambra ny «


  • Alakamisy 15 Janoary 2026

Assises Économiques »

Tontosa tetsy amin’ny Barea Mahamasina ny 13 janoary teo ny Dinika Ara-Toekarena Savaravina, fihaonana stratejika teo amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) sy ireo vondron’ny mpandraharaha, ho fanomanana ny Assises Économiques izay ho tanterahina ny 19 janoary 2026. Natao hanamafisana ny fifampidinihana sy hanangonana soso-kevitra avy amin’ny sehatra tsy miankina, ho fitaovana fanombanana sy fizahana ny zava-misy eo amin’ny toekarena. Nambaran’ny Minisitra RASOARAHONA Andriniaina fa laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra mba tsy hijanona ho fanehoan-kevitra fotsiny ny dinika, raha nanamafy kosa ny Tale Jeneralin’ny Sehatra Tsy Miankina Lala Disaine fa hojerena akaiky ny fanaraha-maso ny fampiharana ireo soso-kevitra. Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny lalàna, ny famatsiam-bola, ny fanamorana ny hetra sy ny fadintseranana ary ny fampiroboroboana ny “Label Malagasy” ny adihevitra, araka ny fangatahan’ireo sehatra tsy miankina ho fampandrosoana ny seha-pihariany tsirairay. Nanambara ny Filohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara fa miandrandra vokatra mivaingana sy valiny amin’ireo fangatahana efa natolotra ny mpandraharaha malagasy, raha ny Fikambanan’ny Orinasa Malagasy na FOM kosa dia nilaza fa mazava ny lalan-kombana ary mikendry tombontsoa ho an’ny mpandraharaha malagasy ny tondro zotra ho apetraka aorian’ny Assises. Naneho faniriana hanana anjara bebe kokoa ihany koa ny kaoperativan’ny fitaterana sy ireo vondron’ny vehivavy mpandraharaha, indrindra amin’ny fandrafetana rafitra sy fenitra hanadiovana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Hoentina eo amin’ny Assises Économiques amin’ny herinandro izay sehatra lehibe antenaina hampiroboroboana ny orinasa sy ny toekarena Malagasy ny hevitra rehetra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT