Fanarenana ny toekarena sy sosialy

Ho hita eo ny apoakan’ny governemanta 2025


  • Alakamisy 02 Janoary 2025

Na tiana na tsy tiana dia azo bangoina amin’ny hoe ny fanarenana ny toekarena sy sosialy eto amin’ny

firenena izany izao no tokony ho laharam-pahamehana indrindra eto amin’ity Madagasikara ity. Ny fanazavana rehetra mikasika ny raharaham-pirenena malagasy, indrindra, taorian’ny nivoahan’ny tombana fa farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao isika, dia saika manasongadina izay maha zava-dehibe ny fanarenana ny toekarena sy sosialim-bahoaka izay avokoa. Ho hita eo ny apoakan’ny governemanta 2025, izay efa namarana ny taona 2024 teo ihany moa, mikasika ny olana be ao amin’ny JIRAMA miaraka amin’ilay trosany efa hatrany amin’ny 1400 miliara Ariary, raha ny voalaza farany. Eo koa ny olan’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar, izay mampanahy be ihany koa amin’izao fotoana izao ny ampitsony na dia efa novaina ho Madagascar Airlines aza. Eo ny mikasika ny fifanarahana momba ny solika, ny fifehezana ny vidim-piainana, ny fandaminana ny fandriampahalemana sy ireo asa marobe miandry izany governemanta izany. Ankoatran’izay koa anefa ny mikasika ny famahana ireo olana momba ny fanatanjahantena, ny tontolo iainana izay mifamatotra amin’ny harem-pirenena, ny resaka kolontsaina sy hafa.
J. Mirija
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT