Fanarenana ny JIRAMA

Tsy azo ihodivirana ny fepetran’ny FMI


  • Zoma 04 Jolay 2025

Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny

fanjakàna malagasy sy ny tahirim-bola iraisampirenena na FMI nandritry ny fijerena fanindroany ny lafiny tekinika mikasika ireo famatsiam-bola avy amin’ity rafitra iraisampirenena ity na ny FEC (Facilité Élargie de Crédit) sy ny FRD na (Facilité pour la Résilience et la Durabilité). Maro lafy sy saika mahakasika ny lafiny angovo sy akoran’afo eto amin’ny firenena, eo indrindra ihany koa, araka izany, ny lafiny toekarena, ireo fepetra voalaza ireo. Isany voaresaka ao ny mikasika ny fanarenana ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy, ny solika, ny tahabola na «taux de changes». Maharitra 3 taona ny fifanarahana, raha ny voalaza. Mitentina 51 tapitrisa Dolara amerikanina ny famatsiam-bola voaray, raha voahaja ny fepetra, ho an’ny FEC ary 57 tapitrisa ny FRD. Manara-maso akaiky ny fangaraharahan’ny fitantanana rehetra ao anatin’izany ny FMI ary isan’ny takiana an-kolaka ao anatin’izany ny fampitsaharana ny famatsiam-bola ity orinasam-panjakàna mpamatsy herinaratra sy rano ity. Heverina fa tsy mahagaga izany ankehitriny raha mipoitra ity raharaha momba ny fanovàna ny sata mifehy ny orinasa JIRAMA ity satria hita ho tsy azo ihodivirana aloha izay fepetran’ny FMI izay, raha ny mikasika ny hoe fanarenana ny JIRAMA no resaka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT