Mitaraina fatratra ny vahoaka eny Atsimondrano manontolo, hoy ny solombavambahoaka TIM Raharimanarivo Voahanginiaina voafidy teny amin’ity distrika ity
, ny amin’ny famaliana ny fanontaniana mipetraka amin’ny rehetra hoe : hamboly sa tsia amin’ity taom-pamokarana vaovao ity ? Hatreto tokoa mantsy, hoy izy, dia tsy misy mihitsy ny fanarenana an’ireo fotodrafitrasa samihafa potika noho ny tondra-drano nihatra farany teny amin’ny faritra. Tsy mbola tontosa ny fampidiran-drano eny Fiombonana, Ankadimanga … eo koa ny Tahoala eny Fenoarivo sy Itaosy, ny fefiloha vaky eny Ampanefy, Ampahitrosy, Antanimenakely, Ambatofotsy. Tsy misy intsony fa potika koa ny masomboly famokarana “fraise” eny amin’ity toerana ity. Ny lalana tsy lazaina intsony ny fahapotehan’ny lalana toa zary lalan-tsarety eny Itaosy sy Anosizato ary ireo lalana kaominaly ao anatin’ity distrika ity. Efa im-betsaka anefa ny tena, hoy izy, no nandefa taratasy teny amin’ny tompon’andraikitra mpanatanteraka ary efa nihaona nivantana tamin’ny minisitra mihitsy fa ny fampanantenana no betsaka ny fanatanterahana ny asa mbola ambatobehoka hatramin’izao. Mijaly raha atao kapoka iray ny vahoaka ety Atsimondrano, hoy ny depiote Voahangy namarana ny teniny, nefa atao akory fa hafa ny mpanatanteraka, hafa ny mpitondra tenin’ny vahoaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.