Fanarenana an'i Toamasina

Tohana 12 miliara Ar voazara,


  • Alarobia 22 Aprily 2026

vita 50% ny famerenana ny herinaratra

Ny UCR (Unité de Coordination pour la Reconstruction de Toamasina), tarihin’ny Jeneraly Heritiana Ramasy, no mandrindra ny asa fanarenana sy fanamboarana tanteraka. Tamin’ny "phase d’urgence" na ny BNGRC no nitsinjo sy namonjy ain’olona; amin’izao "phase de relèvement" izao dia UCR no mitondra ny asa, miaraka amin’ny BNGRC amin’ny fanampiana ara-tsakafo sy ny "distribution ciblée" ho an’ireo marefo, mpampianatra ary mpisehatra amin’ny fitsaboana. Efa mihoatra ny 50% ny tahan’ny fanomezana herinaratra ary kendrena ho vita amin’ny tapaky ny aprily, miaraka amin’ny "prestataires" manampy ny Jirama. Amin’ny sehatry ny fahasalamana, hopitaly sy CSB 2 marobe no hahazo fanarenana lehibe, miaraka amin’ny vola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Agence sinoa. Ny fanabeazana dia efa 65% voarenina ao Toamasina I sy 58% ao Toamasina II, ary mitohy ny fanamboarana sekoly sy fizarana "kits scolaires". Tamin’ny rivo-doza dia 260 000 m³ ny fako, hatreto 96 000 m³ no voaangona; mbola vitsy ny prestataires ka angatahana fiaraha-miasa amin’ny FID sy PIC 3. Tafiditra ihany koa ny fanarenana ny trano-panjakana rehetra. Ho an’ny sehatra tsy miankina, 112 ireo nanatitra tatitra fahavoazana, ary napetraka fepetra fa mpikambana amin’ny CNAPS ihany no hahazo fanampiana. Tsy hadino ny fizarana tohana sosialy: 12 miliara ariary no nozaraina amin’ny mponina amin’ny alalan’ny cash transfert, nahazoan’i Toamasina tombony lehibe. Ny UNICEF mijery manokana ny protection sociale ho an’ireo olona voailika. Ny UCR dia mitondra fanarenana amin’ny sehatra rehetra, manomboka amin’ny jiro sy fahasalamana ka hatramin’ny fanabeazana, fandraofana fako, sehatra tsy miankina ary fizarana sosialy, araka ny tatitry ny Jeneraly Heritiana Ramasy hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT