Fanararaotana ny mpanjifa

Tafakatra 1.300 Ar ny fahana kikisana iray any amin’ny RN7


  • Alakamisy 08 Aogositra 2024

Tafakatra 1.300 Ar ny karatra misy fahana kikisana iray tokony vidiana 1.000 Ar

any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Vao manomboka etsy Ambalavao dia efa ahitana taratra izany mitohy hatrany Antsahalava sy ny manodidina. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpivarotra dia nambarany fa noho ny halaviran-dalana mankaty an-drenivohitra hakana ny fahana no antony mahatonga izany izay tsy maintsy handoavana saran-dalana raha mandeha taxi-be ary hividianana solika raha mitaingina moto. Ankoatra io vidin’ny fahana izay midangana io dia mbola betsaka amin’ireo mpivarotra ihany koa mo mila vaniny mitaky ilay 300 Ar mba hatao madinika izany hoe : tonga dia vola 1300 Ar tsy misy fameriny no raisiny indrindra amin’izao fotoam-pialan-tsasatra lehibe mahabetsaka ny mpivezivezy izao. Ho an’ireo mampiditra fahana 500 Ar moa dia misy sarany 100 ka hatramin’ny 200 Ar izany miankina amin’ilay mpivarotra sy ilay toerana. Atso avo no hatao amin’ireo tompon’andraikitra mba hijery akaiky ity fidangan’ny vidin’ny fahana any ivelan’ny renivohitra ity. Lasa fanararaotana ny mpanjifa indray mantsy izany ka tokony hojerena ihany.
Pati
Legende : Tena lafo ny fahana tahaka itony any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT